Madagasikara no handray ny Fihaonamben’ny Mpitondra Fanjakana ao amin’ny vondrona SADC andiany faha-45 amin’ity volana aogositra ity. Ao anatin’ity fihaonambe lehibe ity dia hisy « Conférence publique » hatao ny 14 aogositra 2025 ao amin’ny Grand Amphi Fac EGS/DSP Ankatso.
Ho fanomanana ity « Conférence Publique » ity, dia nanatanteraka fanadiovana faobe ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ny 30 jolay 2025, nanomboka teo amin’ny tonelina Ambanidia ka hatrany Ankatso.
Nandray anjara mavitrika ireo mpiara-miasa rehetra avy amin’ny ministera foibe sy ireo foibem-pikarohana eo ambany fiahiany. Nitarika ny hetsika nisolotena an-dRamatoa Minisitra, Pr CHAMINAH Loulla, ny Sekretera Jeneraly, Pr SALAVA Julien.
Hitohy ny fanadiovana faobe ao anatin’ny faritry ny Oniversiten’Antananarivo – Ankatso, izay ivon’ny hetsika, manomboka ny 4 aogositra 2025.