Ao anatin’ny fandraisan'i Madagasikara ny fihaonamben’ny Mpitondra fanjakana anatin’ny vondrona SADC andiany faha 45 dia nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny herinandron’ny fampiroboroboana ny Indostria ho an'ny SADC ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry RAJOELINA sady Filoha vaovaon'ny vondrona SADC, ny 29 jolay 2025, tao amin’ny Novotel Convention & Spa, Alarobia.

Mpikambana maro ao amin'ny Governemanta no nanatrika ny lanonam-panokafana ka anisan'izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr CHAMINAH Loulla.

Mandritra ny dimy andro, mpampiranty avy amin’ny Andrim-panjakana, orinasa, startup, fikambanana mpamokatra, indostria, mpaninjara, ONG, mpampiasa vola mihoatra ny 80 no ho hita ao ary azon'ny besinimaro tsidihina izany.

Ity hetsika ity dia tanterahina eo ambany fiahian’ny Governemanta Malagasy miaraka amin’ny Sekretariàn’ny SADC ary ny Filankevi-pitantanan’ny raharaham-barotra ao amin’ny SADC.