Manoloana ny fitarainan’ireo mpianatra momba ny tsy fandriam-pahalemana eny amin'ny faritry ny Oniversiten'Ankatso, dia nandray andraikitra ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.

Tontosa ny dinika ho fametrahana fandriam-pahalemana maharitra eny amin’ny Oniversiten’Ankatso notarihin-dRamatoa Voahirana RABOANARIJAONA, Talen’ny Kabinetra, niaraka tamin’Atoa Mamisoa Aina, Talen’ny CROUA, ny Commissaire de Police RAVELOTAHIANA Mika Olivier, sy ireo solontenan’ny mpianatra, ny 23 jolay 2025 tao amin’ny efitrano « R+3 Rose » Ankatso.

Nisongadina ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, ny fisafoana eny amin'ny trano fonenana, ary ny fanatsarana ny fitaovana fiarovana. Entanina koa ireo mpianatra hiara-hiasa amin'ny tompon'andrakitra amin’ny fitandroana ny filaminana ka ho sahy hitoroka ireo olon-dratsy eny amin'ny faritra manodidina ny Oniversite sy ny trano fonenan'izy ireo.

Ity dinika ity dia manamarika ny fanombohan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny MESupReS, ny Kaomisarian’ny Boriborintany Faharoa sy ny mpianatra.