Anisany hetsika fanaon'ny SADC mialohan’ny fihaonana an-tampony ny fikaonan-doha atrehan'ny daholobe na "Conférence publique".

Eo ambany fiahian'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sady Filoha vaovaon'ny vondrona SADC no hanatanterahana izany ny 14 aogositra 2025 hoavy izao eny amin'ny Grand Amphi Fac EGS/DSP, Oniversiten'Antananarivo.

Ity no sehatra iray hahafahan'ny daholobe, ny mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, mpanao politika, mpiara-miombon’antoka ara-teknika ary sehatra tsy miankina, mifanakalo hevitra manodidina ny lohahevitra "Fampandraisana anjara isam-paritra : fanoitra ho an'ny fanafainganana ny firosoan'ny fampiasana angovo azo havaozina sy ny fanovana ny fomba fambolena" na "L'intégration régionale: levier pour une accélération de la transition énergétique et de la transformation agricole".

Tanjona ny hampahafantarana ny zava-bitan'ny SADC sy ny tombotsoan'ny fiaraha-miasa ara-paritra amin'ny sehatry ny angovo sy ny fambolena ary fanomezana sehatra hifampizarana ho fampiroboroboana ny fikarohana eny amin’ny sehatry ny Anjerimanontolo.

Nitondra fanazavana momba ity hetsika izay iandraiketan'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ao anatin'ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha 45 ity ny Minisitra Pr CHAMINAH Loulla nandritra ny valan-dresaka nifanaovana tamin'ny mpanao gazety notarihin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny, Ramatoa RASATA Rafaravavitafika niaraka tamin'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa MARA Volamiranty Donna sy ny Tale Jeneralin'ny Fampiroboroboana ny Indostria, Andriamatoa RAZAFINDRAZAKA Nainanirina, tao amin’ny “salle de conférence” Barea Mahamasina, ny 23 jolay 2025.