Tsy nikely soroka fa nidina ifotony teny amin'ny ivon-toeram-panadinana EPP Analakely avy hatrany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, ny 23 jolay 2025 raha naheno ny tranga fakana vola amin’ny mpianatra mba hahafahana mifanoro.

Tonga namakafaka sy nanamafy ny fahatongavan-tsaina ho an’ny tsirairay amin'ny andraikitra maha mpanabe azy. Fotoanan'ny fanovàna izao hoy izy ka nanentana ny rehetra hiara hanova ny lesoka nisy teo aloha sy hiara hiasa, hiara hitandrina mba hampahay ny mpianatra ny tenany. Tsy azo ekena ny gaboraraka eo amin’ny fanadinam-panjakana ary mandray ny andraikiny amin’izany ny MESupReS.