Zava-dehibe ho an'i Madagasikara ny handraisan'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny fitantanana ny vondrona SADC amin’ny maha Filohan’ity vondrona ity azy sy ny fihaonana an-tampony faha 45 hotanterahina ny 03 ka hatramin'ny 18 Aogositra 2025.

Anisany manan-danja lehibe aminy ny Fampianarana izay antoky ny fampandrosoana ny firenena ka antony nisafidianany manokana ny Anjerimanontolo Ankatso ho toerana hanatanterahana ny fikaonan-doha atrehan'ny daholobe na "Conférence Publique" amin'ny 14 aogositra 2025.

Tombony ho an'ny Oniversite ny fandraisana izany ary hahafahana mametraka ny lanjan'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho fanoitra amin’ny fampandrosoana. Hahafahana ihany koa mamorona sehatra fifanakalozan-kevitra eo amin'ny daholobe, mpampianatra, mpikaroka, mpanao politika, mpiara-miombon’antoka ara-teknika ary sehatra tsy miankina.

Efa ao anaty fikarakarana tanteraka ny toerana handrasaina ity hetsika ity ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ( ny Ministera foibe, ny Oniversite sy ireo Ivon-toeram-pikarohana) amin'izao fotoana izao ary mizotra araka ny lamina napetraka izany.