Nilamina ny fanombohana ny fanadinana bakalorea manerana ny Nosy amin'ny ankapobeny.

Nanara-maso akaiky ny fizotry fanadinana ny fianakaviamben’ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny 21 jolay 2025. Ho an’Antananarivo dia nitarika izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, ny any amin'ny Faritra kosa ny Filohan'ny Oniversite tsirairay.

Anisany ivon-toeram-panadinana notsidihana tamin'izany ny tao amin’ny Lycée JJ Rabearivelo, LMA Ampefiloha, CEG Antanimena, Lycée MASCA Sabotsy Namehana, CEG Ambohimanarina, Lycée Sacré Cœur Anosisoa. Ny taranja filozofia no nanombohana ny adina ka nanokatra ny laza adina tao amin’ny LJJR ny Minisitra.

Tonga ara-potoana avokoa ny laza adina ary mbola nahitana ireo marika fiarovana rehetra.