Manohy ny fidinana isaky ny sampam-pianarana na "établissement" ny MESUPRES, manakaiky ireo mpisehatra rehetra ao aminy mba hahafantarana ireo olana misy ary miara mijery vahaolana maharitra sy fomba fiasa mahomby amin'izy ireo. Nojerena manokana ny lafiny vatsim-pianarana, fotodrafitrasa sy fampitaovana, jiro, recrutement, intégration, fahasalamana sy ireo olana hafa misy.