Mitohy hatrany ny asa sahanina eto anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa hoy ny Sekretera Jeneraly, Pr SALAVA Julien raha nitarika ny Fananganan-Tsaina ny 7 jolay 2025.

Mizotra amim-pilaminana ny fanomanana ny fanadinana Bakalorea ary efa amperin’asa ireo mitoka-monina (en conclave) misahana ny fandrafetana ireo laza adina.

Mandeha araka ny tokony ho izy ihany koa ny fikarakarana ny vatsim-pianaran'ny mpianatra hoan'ny telo volana manaraka ary efa tonga eto an-toerana ireo mpianatra Malagasy nahazo vatsim-pianarana tany Indonezia.

Nanentana ny rehetra ho mailo sy hitandrina hatrany kosa ny Sekretera Jeneraly manoloana ny tranga tsy fandriam-pahalemana tety anivon' ny Ministera.

Mirary herinandro feno fahombiazana ho an'ny rehetra.