Tsy mitsaha-mitombo ny isan'ireo mpianatra afaka fanadinana Bakalorea mandranto fianarana eny amin’ny Anjerimanontolo ary maro amin'izy ireny no sahirana amin'ny fitadiavana trano honena ka nataon'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA laharam-pahamehana ny fananganana trano mendrika sy madio ho fanatsarana ny fiainan'ny mpianatra sy ho fitsinjovana manokana azy ireo.

Anisany notokanan'ny Filoham-pirenena, ny 3 jolay 2025, nandritra ny fandalovany tao amin'ny Faritra Matsiatra Ambony ny trano fonenan’ny mpianatra R+1 ao amin'ny Oniversiten’i Fianarantsoa ao Andrainjato izay afaka mandray mpianatra miisa 320, ary manaja ny fenitra ara-pahasalamana.

Fo feno fankasitrahana sy hafaliana no nentin-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla nisaotra ny Filoham-pirenena amin'ny fitsimbinana ireo mpianatra Malagasy. Efa andalam-panamboarana ny fotodrafitrasa faharoa ihany koa ny Fitondram-panjakana ary tsy hijanona intsony izany, hanasoavana ireo mpianatra araka ny toromariky ny Filoham-pirenena. Fanampiny dia hisy ny fanamboarana ny lalana mihazo ny Oniversite.

Ankoatra izany dia notokanan'ny Filoha ihany koa ny trano fianarana natao printy 3D voalohany eto Madagasikara ary faharoa manerana ny Afrika sy ny "Accès Development Hub" ao amin’ny Ecole de Management et d’Innovation Technologique (EMIT). Fotodrafitrasa tsy mena mitaha amin’ny any ivelany ary manaraka ny teknolojia vaovao ahafahan'ny mpianatra mianatra asa sahady amin'ny fandalinana ataony.

Niara-nitokana izany tamin'Andriamatoa Filoham-pirenena tany an-toerana ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa NTSAY Christian sy Ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla ary ireo olo-manan-kaja isan-tsokajiny.