« Ianareo no mampiodina ny Oniversite, koa tsy maintsy mifanome tanana sy mifanoro hevitra isika », hoy ny Minisitra raha niantso ny fiaraha-mientan’ny tsirairay amin’ny fanovana miaraka ny kalitaon’ny fampianarana ambony.
Ao anatin'ny fitsidihan-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Loulla CHAMINAH ny Oniversiten'i Fianarantsoa dia nihaona tamin’ireo mpampianatra, mpianatra, mpandraharaha, SECES ary ireo mpikambana ao amin'ny CODIR ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa ny tenany ny 1 jolay 2025.
Raha toa ka noresahana manokana nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpampianatra ny mahakasika ny « recrutement, infrastructures, reclassement, Heures Complémentaires (HC), Habilitation, autonomie universitaire, vacataires, Ecole Doctorale » , ary ny fandinihana ny rafitra LMD, dia nifantoka tamin’ny vatsim-pianarana eto an-toerana, ny vatsim-pianarana any ivelany sy ireo fangatahana manokan’ireo mpianatra ny fifampiresahana tamin’ireo mpianatra.
Nanotrona ny Minisitra nandritra ireo fihaonana rehetra ireo ny Tale misahana ny maha olona (DRH) eto anivon’ny Ministera, Andriamatoa LAHADY Victor, ny Tale misahana ny Fankatoavana sy ny Fiantohana ny Kalitao (DAAQ), Pr RAHERINIRINA Angelo ary ny Filohan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, Pr HAJALALAINA Aimé Richard.