𝐻𝑒𝑡𝑠𝑖𝑘𝑎 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑒𝑟𝑎ℎ𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑀𝐸𝑆𝑈𝑃𝑅𝐸𝑆, 𝑚𝑖𝑎𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝐶𝐸, ℎ𝑎𝑛𝑎𝑚𝑎𝑓𝑖𝑠𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑘𝑎𝑙𝑖𝑡𝑎𝑜𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦.

Napetraky ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry RAJOELINA ho ivon’ny tetikasa fanavaozana nasionaly ny fanabeazana, manomboka amin’ny fototra ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony, ary efa nanamafy matetika izy ny fahavononany hanavao sy hanatsara ny rafi-pampianarana eto amin’ny firenena, hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo Anjerimanontolo, ary hanome fitaovana ny tanora hiatrehana ny fanamby amin’ity taonjato faha-21 ity.

Araka izany, nanatontosa ny hetsika « Mois des Universités en dialogue » – andiany voalohany ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES).

Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa Ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, ny 30 Jona 2025.

Ity hetsika nasionaly ity dia tohanan’ny Fonds Commun de l’Éducation (FCE), ka tanjona ny hanamafisana ny fifampiresahana sy ny fifanatonana eo amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny anjerimanontolo : mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, mpandraharaha, sehatra tsy miankina ary mpiara-miombon’antoka.

Manatanteraka izany avokoa ny Oniversite manerana ny Nosy ao anatin’ny iray volana, ka ho an’ny Oniversiten’i Fianarantsoa dia nifantoka tamin’ny lohahevitra : « Enseignement Supérieur et Intelligence Artificielle : vers une pédagogie innovante et de qualité » ny dinika.