Tao amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa no nanatanterahan'ny Fianakaviamben'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, notarihin'ny Pr CHAMINAH Loulla, ny Fananganan-Tsaina, ny 30 jona 2025 niaraka tamin'ireo mpisehatra ao amin’ny Oniversite notarihin’ny Filohany Pr HAJALALAINA Aimé Richard.
Nohamafisin-dRamatoa Minisitra tamin'izany fa ny filaminan'ny Oniversite dia mitondra fandrosoana. Nanentana ny hitohizan'ny filaminana ahafahana manatsara ny fomba fiaraha-miasa sy fomba fitantanana ny Oniversite ihany koa ny tenany.
Asa maro no hotanterahina mandritra ny fandalovany ao an-toerana araka ny voalaza nandritra ny Fananganan-Tsaina hatrany.
Mirary herinandro mahafinaritra ho antsika rehetra.