Notontosaina teo ambany Fiahian’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa Andry RAJOELINA, sady Lehibe Faratampon’ny Foloalindahy Malagasy, ny lanonam-pankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy.

Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, notarihin-dRamatoa Minisitra Pr CHAMINAH Loulla.

« Ny fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana. »