Araka ny vinan'asan'ny Filoham-pirenena sy ny tanjon'ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa izay tafiditra tao amin’ny asa tanterahina anatin’ny 100 andro dia notokanana ny 20 aprily 2024 ny Oniversiten’Analanjirofo, ao Fenoarivo Atsinanana. Ny Filohan'ny Repoblikan’i Madagasikara, Atoa Andry Nirina RAJOELINA, no nitarika ny lanonana ary notronin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa mpisolo toerana, Atoa RAVOKATRA Fidiniavo, ny Filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, Atoa RAZANAKOLONA Diny, ny tompon’andraikitry ny Oniversite ao an-toerana ary ireo olom-panjakana maro.

Hahazaka mpianatra miisa 1500 ity Oniversite ity raha toa ka mpianatra 700 no efa mianatra ao. Misy efitrano fianarana 6, efitrano fivoriana, famakiam-boky, laboratoara ary efitrano maro hafa. Lalam-piofanana telo izay mifanaraka amin'ny filan’ny Faritra no efa misy ao ankehitriny : ny Agronomia, ny Fitantanana ary ny Lalàna. Vinavinaina atsy ho atsy ny hametrahana lalam-piofanana Fizahantany, Teny sy Soratra ary Siansa mahaolona, Siansa an-dranomasina.

Ho fampiakarana hatrany ny hahavon'ny lentan'ny fampianarana dia misy ireo mpampianatra notsongaina manokana avy any amin'ny Oniversite any ivelany hanampy ny eto an-toerana ka anisan’izany ny avy ao amin’ny Oniversite LeMans, ny ao Liège sy ireo mpiara-miombon’antoka toy ny CIRAD. Miisa 12 ireo mpampianatra mpikaroka raikitra ao ary 50 ireo mpampianatra avy any ivelany. Araka ny nambaran’ny Filoha dia hovatsiana fitaovana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny “amphithéâtre” ary hisy ny “parc informatique” isitrahana solosaina sy fitaovana informatika ary aterineto maimaim-poana ho an’ny mpianatra.

Ny trano fonenan’ny mpianatra kosa dia misy efitra 80 ary mahazaka mpianatra 160. Ho entitra ny mason-tsivana amin’ny famaritana ireo izay hisitraka izany sy ny fizaràna. Ao anaty mangarahara tsy misy fanavahana no hanatanterahana izany koa zava-dehibe ny fanarahana fitsipika, hoy hatrany ny Filoham-pirenena. Nanome toromarika ny hametrahana haingana ny famatsian-drano ao amin’ity trano fonenan’ny mpianatra ity ny tenany mba ahafahan’ ireo mpianatra mipetraka ao avy hatrany afaka iray volana.

Fotodrafitrasa handrafetana ny hoavin’ny tanora no notokanana tao amin’ny Faritra Analanjirofo ka sady hanamaivana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny no hampitombo ny fahaizan’ireo mpianatra ka handraisan’izy ireo anjara amin’ny fampandrosoana ny Faritra sy ny firenena.