Ho fanatsarana ny fifandraisana amin’ny mpianatra amin’ny fitadiavam-bahaolana maharitra eo amin’ny lafiny fikirakirana ny vatsim-pianarana, fandriam-pahalemana ary ny jiro sy rano dia niara-nametraka fomba fiasa vaovao sy mangarahara amin’ireo mpianatra, mpampianatra ary tompon’andraikitra eny amin’ny Oniversite ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, niaraka amin’ny Sekretera Jeneraliny, ny Tale misahana ny Fitantanan-draharaha sy ny Fitantanam-bola (DAAF) sy ny Tale misahana ny Vatsim-pianarana eto an-toerana sy any ivelany (DBNE).
Amin’ity fomba fiasa vaovao ity, dia andraikitra iombonana no tanterahina : mandray anjara mavitrika avokoa ny mpisehatra rehetra, miara-misalahy amin’ny fanatsarana sy fanavaozana ny tontolon’ny fampianarana ambony.
« 𝑁𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑠𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑂𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑒 𝑑𝑖𝑎 𝑡𝑠𝑦 ℎ𝑜 𝑣𝑖𝑡𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑀𝑖𝑛𝑖𝑠𝑡𝑒𝑟𝑎 𝑖𝑟𝑒𝑟𝑦, 𝑡𝑠𝑦 ℎ𝑜 𝑣𝑖𝑡𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑙𝑜ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑂𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑒 𝑖𝑟𝑒𝑟𝑦 𝑓𝑎 𝑖𝑠𝑖𝑘𝑎 𝑚𝑖𝑎𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑛𝑜 ℎ𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑠𝑜 𝑛𝑦 𝑂𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑒 𝑡𝑠𝑖𝑟𝑎𝑖𝑟𝑎𝑦 𝑎𝑣𝑦 », hoy ny Minisitra.
Natomboka ny 24 jona 2025 teny amin’ny Fakiolten’ny Siansa sy ny Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra ao Ankatso ny fihaonana, ary nitohy ny 25 jona 2025 teny amin’ny Sekoly Ambony Polyteknika Antananarivo (ESPA) ao Vontovorona.