Teo ambany fiahian’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA, noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny fiaramanidina vaovao LET-410 ho an’ny Tafika Anabakabaka. Anisan’ny lanonana manamarika ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan'ny Fahaleovantena sy nijoroan'ny Foloalindahy.

Isany nanotrona ny lanonana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.