« Ny fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana »
Notokanana ny 24 Jona 2025 teny amin’ny Araben’ny Fahaleovantena, Analakely ny Tsangambato faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny foloalindahy Malagasy.
Nanotrona ny lanonana niaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, ireo manam-pahefana ambony sy solontenam-panjakana maro ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr CHAMINAH Loulla.