Nihaona tamin’ny delegasiona avy amin’ny Sekretariàn’ny SADC ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) notarihin’ny Dr BEHAJA Alan Basile, Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony sy ny tompon’andraikitry ny Oniversiten’Antananarivo ny tolakandron’ny 17 Jona 2025 tao Ankatso.
Nifantoka tamin’ny lafiny fandrindrana sy fanamafisana ny fepetra teknika ho fanomanana ny « Conférence Publique » ny fihaonana ary notohizana tamin’ny fitsidihana ny toerana handraisana ny hetsika.
Izany dia tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy Governemanta mivondrona eo anivon’ny SADC hotanterahina eto Madagasikara ny volana Aogositra 2025.
Nisy ihany koa ny dinik’asa izay natao teto Fiadanana ny 18 jona 2025.