« Iray ny tanjona, miezaka manatsara tsikelikely ny fampianarana ambony sy ny fikarohana isika fa tsy vita indray andro ny fanovana ary zava-dehibe amiko ny fifampiresahana aminareo », hoy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, nandritra ny fihaonany tamin'ny « Syndicat du Personnel Administratif et Techniques des Universités » (SPATU) manerana ny Nosy, ny 17 jona 2025, teto Fiadanana.
Toy ny Ray Aman-dReny sy zanaka dia nifampizara ny hetahetan'ny mpiasa sy niara nijery izay azo hanatsarana ny fomba fiasa ny roatonta.
Nodinihana manokana ny mikasika ny aménagement des postes budgétaires, ny recrutement, ny fametrahana ny commission paritaire, ny fanatsarana ny lalàna mikasika ny fifidianana, ny prise en charge, ireo mpiasa misotro ronono nialoha ny fivadihana ho budget général, ny fisitrahana mari-boninahi-pirenena, ny intégration, ny fametrahana filan-kevi-pitantanana eny anivon'ny IST ary ny reclassement.
Afapo tamin'ireo fanazavana nentin-dRamatoa Minisitra sy ireo tompon’andraikitra eto anivon’ny Ministera ny sendika izay notarihan'ny Filoha Nasionaly, Andriamatoa RAKOTOSON Albert Pierre.