Tafiditra indrindra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) ny fanomezana lanja ny fanavaozana nomerika ho an’ny fitantanana mangarahara sy mahomby eo anivon’ny sampan-draharaham-panjakana.

Nisitraka fampiofanana momba ny AUGURE «Application Unique de Gestion Uniformisée du Référentiel et des Échanges » ny mpiasa eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) ny 13 jona 2025, tao Fiadanana.

Ity sehatra nomerika ity dia natao hanaraha-maso, hanavaozana ary hanatsarana ny fitantanana antontan-taratasy eo anivon’ny Ministera, amin’ny fomba malalaka sy mangarahara. Tafiditra ao anatin’ny AUGURE avokoa ny mombamomba ny mpiasa rehetra.

Marihina fa ny Minisiteran’ny Vola sy ny Fitantanam-bola (MEF) no nanatanteraka ny fampiofanana.