Vaindohan-draharahan'ny Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA, ny fiantohana ny fahaleovantena ara-tsakafo ahafahana manatratra ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara.
Ao anatin’ny hetsika fanamarihana ny faha 50 taona niorenan’ny FOFIFA, lanonana roa sosona lehibe no tontosa teny amin'ny Foibem-pikarohana Ampiharina amin’ny Fampandrosoana ny Tontolo Ambanivohitra (FOFIFA) ny 11 Jona 2025 : notokanana ny trano fivoriana lehibe « amphithéâtre » izay nohavaozina, ary nanomboka tamin'ny fomba ofisialy ny lahadinika siantifika mahakasika ny fikarohana momba ny fambolena ho fampandrosoana maharitra mitondra ny lohahevitra : « Regards croisés sur la recherche agricole d’hier, aujourd’hui et demain pour le développement durable de Madagascar ».
Nandritra ny nanokafany tamin'ny fomba ofisialy ny lanonana dia nanamafy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla fa tsy tokony hijanona ho asa anaty laboratoara fotsiny ny fikarohana, fa ho fitaovana fototra hanatsarana sy hampiroboroboana ny sehatra famokarana eny ambanivohitra. Nanentana ny rehetra hiara-hisalahy amin’izany ihany koa ny tenany.
Haharitra telo andro ny lahadinika siantifika izay natomboka tamin'ny fanaovana jery todika ny zava-bita teo anivon'ny FOFIFA ary ahitana tranoheva mampiseho ny voka-pikarohana marolafy iarahana amin'ireo mpiaramiombon’antoka.