Araka ny fotoana efa nifanomezana dia nidina ifotony sy nisafidy ny hitafa mivantana tamin’ireo mpianatra teny amin’ny Sekoly Ambony Polyteknika Antananarivo (ESPA) ao Vontovorona ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, ny 10 jona 2025.
Nitondra vahaolana haingana sy maharitra manoloana ny fitakian’ireo mpianatra Ramatoa Minisitra sy ireo tompon’andraikitra niaraka taminy.
1. Natomboka androany ny fanorenana “château d’eau” mahazaka mpianatra miisa 3000 ho vahaolana maharitra amin’ny olan’ny rano.
2. Mitohy ny fanarenana trano fidiovana sy fivoahana izay efa natomboka.
3. Efa mitady vahaolana amin'ny fanamboarana tamboho manodidina ny Sekoly ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao.
4. Mikasika ny herinaratra dia hirehitra manomboka amin’ny 5 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora alina ny jiro ho vahaolana maika. Hisy kosa ny fampidirana 105 mégawatts entina hanamafisana ny famatsiana herinaratra ho vahaolana maharitra.
5. Ho famahana ny olan’ny tsy fisian-drano rehefa tapaka ny jiro, dia hisy ny fametrahana "groupe électrogène". Ankoatra izany dia hisy citerne mamatsy rano hanampy ireo mpianatra avy hatrany manomboka androany ary nanolotra "bonbonnes" roa ihany koa ny Ministeran’ny rano sy ny fanadiovana ary fidiovana.
6. Marihana fa efa miroso amin’ny dingana rehetra amin'ny fandoavana ireo "réclamation" ny vatsim-pianarana ny Ministera.
7. Mikasika ny « Ticket de versement » eny anivon’ny CROU-A, dia hisy ny fanaraha-maso atao amin’izany.
Tsy nihemotra Ramatoa Minisitra sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny niaraka taminy namakivaky ireo mpianatra tonga hamaha ny olana manoloana ny fitakiana izay nataon’izy ireo. Misokatra hatrany amin’ny fifampiresahana ny MESUPRES.