Tafiditra ao anatin’ny vina sy fandaharan’asa izay napetraky ny Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA ny fanatobiana nomerika. Ao anatin'ny fanatanterahana izany ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa dia nampahafantatra tamin’ny fomba ofisialy ny fidirana amin'ny fanatanterahana ny famadihana ny Ivon-toerana Nasionaly momba ny Fampianarana Ampitain-davitra (CNTEMAD) ho lasa Oniversite nomerika voalohany eto Madagasikara, ny 4 jona 2025.

Tetikasa izay tanterahin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa miaraka amin’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy mirindra ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), ny Banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tetikasa DECIM ary ny Agence Universitaire de la Francophonie (AUF).

Tombontsoa lehibe amin'izany ny hahafahan’ny mpianatra mianatra lesona amin’ny fotoana rehetra sy fanomezana fahafahana ho an’ireo tanora any amin’ny faritra lavitra mba hahavita fianarana. Ho nomerika sy azo hamarinina amin’ny fomba ara-dalàna ny marim-pahaizana.

Raha tsiahivina dia efa nosoniavina tamin’ny taona 2022 ny fifanarahana mikasika ity tetikasa ity. Tsy nisy fandrosoana anefa nandritra izay fotoana izay. Niditra an-tsehatra avy hatrany Ramatoa Minisitra, Pr CHAMINAH Loulla ka nataony vaindohan-draharaha ny hampandroso haingana ity tetikasa ity.

Vinavinaina hahatratra 49.000 ny mpianatra hahazo tombony amin’ny 2029, raha 17.000 no efa misoratra anarana amin’izao fotoana.

Nisolotena ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr CHAMINAH Loulla nandritra ny lanonam-panokafana ny Tale Jeneralin'ny Fampianarana Ambony, Dr BEHAJA Alan Basile notronin'ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.