Navitrika ny fandraisan’anjaran'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) tamin'ny diaben'ny Fahaleovantena niarahana tamin'ireo Minisitera sy Andrim-panjakana rehetra, nanomboka teo amin’ny Tsangambaton'ny Mahery fo Ambohijatovo ka hatreny amin’ny kianjan'ny Barea Mahamasina, ny 4 jona 2025. Nitarika ny delegasiona avy amin’ny MESUPRES ny Minisitra, Pr CHAMINAH Loulla notronin'ireo mpikambana mandrafitra ny staff sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny.
Nisy ny fandokoana lamba fotsy nametrahan'ireo mpandray anjara rehetra diantanana ho fanehoam-piraisankina. Taorian'izany dia niroso tamin'ny fifaninanana baolina kitra ara-pirahalahiana nifanandrinan'ireo mpikambana amin'ny Governemanta, ireo Lehibena Andrim-panjakana sy ireo avy amin'ny Tafika ka nandray anjara mavitrika ihany koa Ramatoa Minisitra. Nosokafana teo amin'ny Kianjan'ny Barea ihany koa ny lalao “tournoi inter arrondissement”.