Ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla dia mitondra ny teny fisaorana sy fankasitrahana feno ho an-dRamatoa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Dr SAHONDRARIMALALA Marie Michelle sy ny Fianakaviamben’ny Oniversite sy IST manerana an’i Madagasikara noho ny fiaraha-mientan’ny rehetra tamin’ny « Fananganan-Tsaina niraisana » natao ny 03 Jona 2025.

Hetsika naneho firaisankina sy firaiketam-po amin’ny fanompoam-pirenena izay manandratra ny soatoavina maha-olom-pirenena, ny fitiavan-tanindrazana ary ny andraikitra iombonana eo amin’ny fanabeazana.