« 𝑵𝒚 𝒇𝒊𝒕𝒊𝒂𝒗𝒂𝒏-𝒕𝒂𝒏𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒕𝒂𝒓𝒊𝒌𝒂 𝒇𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒔𝒐𝒂𝒏𝒂. »
Mitohy ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy.
Ho an’ny teto anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa dia nisy « Fananganan-tsaina iraisana » tamin’ny ora mitovy niarahana tamin’ireo Oniversite rehetra manerana an’i Madagasikara ny 03 Jona 2025 izay notarihin-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.
« Tsy ampy ny fitiavana Tanindrazana raha tazonina ao am-po, na tenenina am-bava fotsiny. Tsy manome lanja azy isika raha tsy aseho amin’ny asa mivaingana, amin’ny fanajana ny hasin’ny fanabeazana, ary amin’ny fanapahan-kevitra hoentina hampandrosoana ny firenena izany. » : hoy Ramatoa Minisitra nandritra ny lahateniny.
Nanotrona ity hetsika ity ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena, Dr SAHONDRARIMALALA Marie Michelle, ny Filohan’ny Komitim-Pirenena Mpandrindra ny Fankalazana ny 26 Jona (KPMF), Jeneraly RAKOTONDRABARY Eric ary ireo Tompon’andrakitra eo anivon’ny Oniversiten'Antananarivo.
Nisy ihany koa ny hetsika koltoraly sy ara-panatanjahantena nataon’ny mpianatra, ary fanentanana momban’ny « civisme » ho fanamarihana ny fankalazana.