Nanomboka tamin’ny Fananganan-tsaina tamin’ny fomba ofisialy izay niarahana tamin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara sady Lehibe Faratampon’ny Foloalindahy, Andriamatoa Andry RAJOELINA, ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy.
Ny 2 jona 2025, teo amin’ny araben’ny fahaleovantena manoloana ny lapan’ny Tanàna Analakely, no nanatanterahana ny lanonana. Nanome voninahitra ny fotoana ireo mpikambana mandrafitra ny Governemanta notarihin’ny Praiminisitra NTSAY Christian ka anisan’izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.
« Ny fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana » no lohahevitra enti-manamarika ny fankalazana.
Vory lanona sy niara-nientana tamin’ny fanatanterahana ny filatroana, narahana dihy sy fanentanana, ireo solontena avy amin’ny Faritra sy ny Distrika manerana ny Nosy. Nandray anjara mavitrika ihany koa ny solontena avy amin’ny MESUPRES.