Tontosa ny 28 may 2025 tao Fiadanana ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) sy ny Ofisy Malagasy momba ny Fananana Ara-Indostrialy (OMAPI).
Votoatin’ny fiaraha-miasa ny fiarovana sy fanasongadinana ireo voka-pikarohana avy amin’ireo ivon-toeram-pikarohana sivy (9) eo ambany fiahian’ny Ministera. Eo ihany koa ny fandinihana tanteraka ireo voka-pikarohana azo arovana sy hasongadina amin’ny rafitra fananana ara-indostrialy. Voakasiky ny fiaraha-miasa ihany koa ny fampiofanana momba ny fananana ara-tsaina ho an’ny foibem-pikarohana sy sekoly doktoraly, ny fikarakarana fihaonambe sy seminera, ny famoahana antontan-kevitra manan-danja,ny fanaovana diagnostika amin’ny fananana ara-indostrialy sy ny fanampiana amin’ny fisoratana anarana sy fametrahana patanty.
Ity fifanarahana ity dia nosoniavin’i Pr RANARIJAONA Hery Lisy Tiana, Tale Jeneralin’ny Fikarohana eto amin’ny MESUPRES, sy Ramatoa RAFONOTSIMIVA Naharisoa Oby, Tale Jeneralin’ny Ofisy Malagasy momba ny Fananana Ara-Indostrialy. Notronin'i Pr SALAVA Julien, Sekretera Jeneralin’ny MESUPRES, sy Ramatoa ANDRIANAIVO Priscilla , Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra, ary ireo Talen'ny ivon-toeram-pikarohana.