Tontosa ny 21 may 2025 teto Fiadanana ny «Conférence des Présidents des Universités » na CPU. Fivoriana faratampony manapaka ny mahakasika ny tontolon’ny fampianarana ambony izay mampivondrona ireo Filohan’ny Oniversitem-panjakana manerana ny Nosy sy ireo Tale Jeneralin’ny IST, notarihin-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.

Ity no fivoriana voalohany taorian'ny fifidianana ireo Filohan'ny Oniversite vaovao.

Anisan’ny tapaka tamin'izany ny :

- fanaovana "colloque international" iray isaky ny Oniversite amin’ity taona ity izay karakarain’ny MESUPRES miaraka amin’ireo Oniversite, amin’ny alalan’ny Fonds Commun de l’Éducation (FCE)

- ⁠fanatsarana "textes" indrindra ny mikasika ny mari-pahaizana "Doctorat" sy "HDR"

- fanaovana fifaninanana ara-panatanjahan-tena nampitondraina ny anarana "Tournoi National Universitaire"

- fomba ahafahan'ny Oniversite tsirairay manana antontan-kevitra na "revue scientifique" ahitana ireo voka-pikarohana izay iarahana amin’ny Ivon-toeram-pikarohana momba ny Torohay Siantifika sy Teknika (CIDST).

Vinavinaina hifarana ny faran’ny volana oktobra ny taom-pianarana.

Tao aorian'ity fivoriana ity dia natolotra tamin'ny fomba ofisialy ny "Recueil de textes sur l'enseignement supérieur et la recherche" izay boky mirakitra ny lalàna mifehy ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.