Tanjon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny fametrahana ny Fikarohana mba ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana. Voatendry nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra 11 Aprily 2024 ny Tale Jeneralin'ny Fikarohana Ara-tsiansa, Atoa ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala.

Manana vina lehibe amin'ny fametrahana ny mpikaroka amin’ny toerany mba hampisongadina ireo voka-pikarohana ity Tale Jeneralin'ny Fikarohana Ara-tsiansa vaovao ity. Anisany fomba hahafahana mampahafantatra ireo asa sy voka-pikarohana ny fanaovana ny fihaonam-be ho an’ny Fikarohana na ny "Forum de la Recherche".

Eo ihany koa ny fametrahana ny Politikan'ny Fikarohana sy Fanavaozana ary ny fampifandraisana ny voka-pikarohana amin’ny fampandrosoana ka hipaka any amin’ny vahoaka.

Manoloana izany dia naneho fisokafana amin’ireo rehetra te hiara-hiasa sy hiray ombon'antoka aminy ny eo anivon'ny Ministera ho fanatsarana ny fanatanterahana ireo vinan'asa fampandrosoana ny asa Fikarohana ireo ny tenany.

Notanterahina androany 16 Aprily 2024 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Tale Jeneraly mpisolo toerana, Pr LAZAMANANA André Pierre sy ny Tale Jeneraly vaovao, notarihin’Atoa Sekretera Jeneraly, Pr SALAVA Julien. Nanotrona ity fotoana ity ireo mpikaroka eny anivon’ireo Ivon-toerampikarohana nasionaly.

CNARP Fofifa - Officiel CIDST Tsimbazaza Imvavet CNRIT Sandratr'Hay Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires-Madagascar