Nitokana ny « Boulevard de Kiembe » ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny 17 May 2025 tao Toliara.

Ny « Boulevard de Kiembe » dia lalana mampitohy ny seranantsambon'i Toliara sy ny lalam-pirenena faha-7 ao amin’ny Fokotany Mahavatse, mirefy 5km ary natao hiarovana amin'ny fiakaran'ny rano rehefa fahavaratra. Fotodrafitrasa izay namboarin'ny Fitondram-panjakana ary notohanan'ny Vondrona Eropeanina.

Nanotrona hatrany ireo hetsika notanterahin’ny Filoham-pirenena tao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.