Nanolotra fanomezana ho an’ny mponina maro tao Toliara, renivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA sy Ramatoa vadiny, nandritra ny hetsika sosialy notanterahina ny 16 may 2025.
Nanotrona izany ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, notarihin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa NTSAY Christian ka anisan’izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.