Ankoatra ny Filan-kevitry ny Minisitra sy ny Filan-kevitry ny Governemanta notontosaina tany amin’ny Faritra dia mijery akaiky ireo tetik’asam-pampandrosoana eny ifotony ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ankehitriny ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta.
Fandaharan’asa maro misandrahaka amin’ny fanatsarana ny lafim-piainan’ny olona amin’ny ankapobeny no natrehana ka anisany nanotrona ny Filoha tamin’izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.
Mandritra izao fandalovany ao Toliara izao, tsy nanadino ireo mpisehatra eo anivon’ny fampianarana ambony tao amin’ny Oniversite Maninday ny Minisitra fa nandray sy nihaino ireo tompon’andraikitra “staff” notarihin’ny Filohan’ny Oniversite, Dr VERIZA Roberto, sy ireo Filohan’ny Fikambanan’ny mpianatra ny tenany, ny 15 may 2025, na dia vao tsy ela akory aza no nandalovany sy nihaonany mivantana tamin’ireo mpampianatra, mpianatra ary mpandraharaha ao an-toerana.