Vinan’ny fitondram-panjakana ny fanarenana ny Valanjavaboary Tsimbazaza na PBZT ka ny volana febroary 2025 no natsangana ny « 𝐶𝑜𝑚𝑖𝑡𝑒́ 𝑖𝑛𝑡𝑒𝑟𝑚𝑖𝑛𝑖𝑠𝑡𝑒́𝑟𝑖𝑒𝑙 𝑝𝑜𝑢𝑟 𝑙𝑒 𝑟𝑒𝑑𝑟𝑒𝑠𝑠𝑒𝑚𝑒𝑛𝑡 𝑑𝑢 𝑃𝐵𝑍𝑇 » na ny komity iombonan'ny ministera maromaro ho fanarenana ny PBZT. Ny fanarenana ny valanjavaboary sy ny fanomanana ny fanamarihana ny faha-100 no tena iandraiketany. Mandrafitra ny Komity iombonana miaraka amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana, ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Serasera, Ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy. Tafiditra ao anatin’ny fanohanana izany ezaka fanarenana izany ny hetsika « 𝐷𝑖𝑜 𝑃𝑎𝑟𝑐 𝐹𝑎𝑜𝑏𝑒 » notanterahina ny 09 may 2025.

Nitarika ity hetsika fanadiovana ity ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla ary nandray anjara mavitrika sy naneho firaisankina tamin’izany ny fianakaviamben’ny MESUPRES. Teo ihany koa ny solontenan’ireo ministera hafa voakasika. Nanamafy Ramatoa Minisitra fa tsy atao ambanin-javatra ny asa fikarohana ao amin’ity Valanjavaboahary ity, amin’ny maha Ivon-toeram-pikarohana azy. Fanarenana sy fanatsarana no imasoana koa ilaina ny mitady vahaolana ho tombontsoan’ny rehetra. Notsindriany ihany koa fa an’ny Malagasy ny PBZT, tsy amidy ary tsy hisy ny fanalàna mpiasa. Niantso fifanomezan-tanana sy fandraisan’anjara avy amin’ny tsirairay ny tenany.