Fanamby lehibe apetraky ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny hampirindra sy hampilamina hatrany ny fanadinana bakalorea eto Madagasikara.

Nisy araka izany ny atrikasa nokarakarain’ny MESupReS ny 15 Aprily 2024 niarahana tamin’ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny fanadinana Bakalorea ka ao anatin’izany ny solontena avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa, ny DOB (Direction de l’Office du Baccalauréat), ny DEN (Direction des Examens Nationaux), ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo,

ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Ministeran’ny Fampiroboroboana sy fanovàna ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, ny Ministera Delege Misahana ny Zandarimaria, ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran’ny Foloalindahy, ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny Birao Mahaleotena miady amin’ny Kolikoly, ny mpiandraikitra ny « cybercriminalité et renseignements ».

Nampahafantarina nandritra ity atrikasa ity ny andraikitry ny tsirairay mialoha, mandritra sy aorian’ny fanadinana Bakalorea, izay voarakitra ao anaty rindran-kevitra na « Manuel de procédure relatif à l’organisation et sécurisation du baccalauréat 2024 ». Samy nitondra sosokevitra ho fanatsarana izany ireo mpandray anjara.

Tsiahivina fa hifarana amin’ny 26 aprily ho avy izao ny fisoratana anarana amin'ny fanadinana Bakalorea 2024. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity atrikasa ity ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr SALAVA Julien.