Ao anatin’ny fitsidihan’ny Minisitry ny Fampianarana sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny Oniversite’Antsiranana dia natomboka tamin'ny fomba ofisialy ny 2 Martsa 2024 ny fanadiovana ny trano fonenan’ny mpianatra. Nanotrona ny Minisitra tamin’izany ny Filoha lefitry ny Antenimieram-Pirenena voafidy tao amin'ny Faritanin' Antsiranana sy ny manam-pahefana isan-tsokajiny. Ity fanadiovana sy ny fanatsarana eo anivon’ny toeram-ponenana ity dia maneho ny fanoloran-tenan'ny governemanta amin'ny fanabeazana sy ny fiadanan'ny mpianatra.

Nitsidika ny toeram-ponenan’ny mpianatra ny Minisitra ka nitafa sy nihaino ny hetahetan’izy ireo. Ho fitadiavam-bahaolana manoloana ireo fitakiana dia napetraka nandritra ity fotoana ity ny vato fototra hanorenana toeram-pandrahoana ho azy ireo izay hatsangana manoloana ny trano vaovao R+1, ka vinavinaina ho vita ao anatin’ny roa herinandro izany. Nitsidika ny lavaka fisotroan-drano ao amin'ny Campus ihany koa ny Minisitra ka hita fa mandeha ary miasa tsara izany.

Nisy ny fivoriana niarahan’Atoa Ministra tamin’ny Filohan’ny Oniversite, ny Lehiben’ ny Sampam-pampianarana ary ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Oniversite ka nandritra izany no nanaovana tomban’ezaka sy nitondrana fanatsarana eny amin’ny Oniversite. Mpianatra 12 000 no mandranto fianarana ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana ankehitriny. Ao anatin’ny vinan’ny fitondram-pajakana hanokatra Anjerimanontolo manakaiky vahoaka dia hosokafana ao Antalaha tsy ho ela ny Campus izay mahazaka mpianatra 1500.