Mitohy ny asa fampandrosoana ny Firenena araka ny fanamby napetraky ny Filoham-pirenena ao anatin'ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana.
Notanterahina ny 09 may 2025, teny amin’ny Kaominina Ivato ny fanombohana ireo tetikasa goavana an'ny asa tanana na ny "Village artisanal" sy ny fotodrafitrasa ho an'ny fialamboly na ny "Lac Iarivo". Nanolotra izany ho an'ny vahoaka Malagasy ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA. Ireo fotodrafitrasa ireo dia mametraka ny maha izy azy an'i Madagasikara mba tsy ho mena-mitaha amin'ny any ivelany sy manampy amin'ny fampivoarana ny toekarena malagasy ary natao ho an'ny fampandrosoana lovainjafy.
Nanotrona izany fidinana ifotony izany ireo tompon’andraikitra maro, mpikambana ao amin’ny Governemanta ka anisan'izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.