Tontosa tamin’ny fomba ofisialy ny talata 06 may 2025 ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Parlemanta, araka ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana, izay mamaritra fa mivory indroa isan-taona ny Antenimiera roa tonta, mandritra ny 60 andro.

Nanatrika izany ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, notarihan’Andriamatoa Praiministra NTSAY Christian. Isan’ireo Ministra nanotrona izao fotoam-pivoriana izao Ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.

Notanterahina ny tapany maraina ny teny amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, notarihin’ny Filohany, Andriamatoa TOKELY Justin ary ny tolakandro ny teny amin’ny Antenimierandoholona Anosy, notarihan’ny Filohany, ny Jeneraly RAVALOMANANA Richard.