Nandritra ny fandalovan'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla tao amin'ny Oniversiten’i Toliara, ny 02 may 2025, dia nandray ireo tokotelo mahamasanahandro, ireo mpianatra sy mpampianatra ary mpandraharaha ny tenany hahafahana manatsara ny tontolon'ny fampianarana ambony.

Namaly ny fanontanian'izy ireo ny Minisitra ary nanamafy fa miezaka hatrany ny fitondram-panjakana mitondra vahaolana araka ny laharam-pahamehana ary manatsara ireo fotodrafitrasa. Efa mandeha avokoa ny fikarakarana antotan-taratasy rehetra izay mila ny fankatoavan'ny Minisitra. Mikasika ny fampidirana mpandraharaha sy mpampianatra dia hatao mangarahara ny fanomezana izany araka ny filan’ny Oniversite tsirairay.

Taorian'ireo fihaonana rehetra ireo dia nandray ireo mpampianatra an-tselika na « vacataires » ny Minisitra.

Nanotrona ny Minisitra nandritra ireo fihaonana rehetra ireo ny Tale misahana ny maha olona eto anivon’ny Ministera, Andriamatoa LAHADY Victor, ny Tale misahana ny lalàna, Andriamatoa RAKOTONDRAZAKA Tina José, ny Tompon’andraikitry ny Tsenam-baro-panjakana, Andriamatoa LERAVO Norbert Fidelys, ny Filohan'ny Oniversiten’i Toliara, Dr VERIZA Roberto Francis ary ireo tompon’andraikitra ao an-toerana.