Natao ny 02 may 2025 ny fametrahana ny vatofototry ny trano fonenan'ny mpianatra. Trano R+1 izay mahazaka mpianatra 320, misy efitra 80 samy manana velarana 12,25 m2 ary trano fidiovana 08.
Laharampahamehana ny fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr. CHAMINAH Loulla. Ity no tetik'asa voalohany amin’ny fanorenana andiana trano fonenan’ny mpianatra vaovao, amin'ny vinan'ny fitondram-panjakana.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana, izay nisaotra ny Filoham-pirenena sy ny fitondram-panjakana ary nanamafy ny fahavononany hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana ny tetik'asa. Ankoatra ny ao Toliara dia maro ny fotodrafitrasa izay haorina ho fanatanterahana ny fanamby napetraky ny Filoha Andry Rajoelina toy ny ao amin’ny Faritra Analamanga, Boeny, Mahatsiatra Ambony, ary Diana.
Nandritra ny dian-dRamatoa Minisitra dia nanatrika sy nanara-maso ny fanombohana ny fizarana vatsim-pianarana tao amin’ny Oniversiten’ny Toliara ihany koa ny tenany.