Lanonana goavana narahana nofon-kena mitam-pihavanana no nifampiarahaban'ny Sendikan'ny mpiasan'ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (SYNDPERS) tamin'ireo mpikambana ao aminy sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministera androany 12 aprily 2024, tao amin’ny "Ombrière" PBZT.

Ity fotoana ity dia nanamarika ny fiaraha-monina mirindra lavitry ny disadisa sy ny olana sady hetsika fampivondronana sy fiombonana ary fihavanana eto anivon’ny toera-piasana. Ny tanjona dia mba hiray hina hiaraka hitondra fampandrosoana eto amin'ny Ministera sy ny firenena ny tompon’andraikitra sy ireo mpiara-miasa ao aminy.

Nambaran’ny Talen’ny Kabinetra izay nisolotena ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa nandritra ity lanonana ity fa manokatra varavarana ary manam-piniavana hamaha olana ny mpitantana ankehitriny. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Sekretera Jeneralin'ny Ministera, ny Talen'ny Kabinetran'ny Ministera, ireo Tale Jeneraly sy Tale isan-tsokajiny, ireo Talen’ny Ivon-toeram-pikarohana ary ny mpiara-miombon’antoka sendikaly. Tamin’ny 12 septambra 2022 no niforona ny SYNDPERS, izany hoe roa taona latsaka ankehitriny.

Mankasitraka an’Atoa RAZAFIHARISON Andriamanantena, Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, izay manome sehatra ary manome lanja ireo mpisehatra rehetra eo amin'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ( mpampianatra mpikaroka, mpikaroka, mpianatra, mpandraharaha, rafitra sendikaly…).