« 𝐻𝑜𝑚𝑒𝑛𝑡𝑠𝑖𝑘𝑎 𝑙𝑎𝑛𝑗𝑎 𝑛𝑦 𝑡𝑎ℎ𝑖𝑟𝑖𝑛-𝑑𝑟𝑎𝑛𝑜 ℎ𝑜 𝑎𝑛𝑡𝑜𝑘𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑠𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 »

Tafiditra ao anatin’ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana amin’ny fampiroboroboana ny mahaolona ny fampisitrahana rano fisotro madio ho an'ny rehetra. Ao anatin'izany dia tanterahina ny 16 ka hatramin'ny 18 aprily 2025 ao amin'ny Kianja BAREA Mahamasina ny herinandro nasionaly momba ny rano.

Nanatrika ny lanonana fanokafana ireo tompon’andraikim-panjakana samihafa, Masoivoho vahiny ary mpikambana ao amin’ny Governemanta. Nanamarika ny fotoana ny famelabelaran-kevitra avo lenta izay nandraisan'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla anjara. Namafisiny tamin'izany fa manana anjara toerana lehibe amin'ny fiarovana sy fitantanana maharitra ny rano ny fizarana ara-drariny sy fanomezan-danja ny rano ny Fikarohana Ara-tsiansa, manampy ihany koa amin’ny fanaraha-maso ny harena anaty rano sy ny fanavaozana ara-teknolojia.

Tranoheva manodidina ny 90 no hita mandritra ny hetsika. Mampiranty ireo voka-pikarohana, indrindra fa ireo vahaolana mifandraika amin’ny fitantanana sy fiarovana ny rano ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa amin’ny alalan’ireo ivon-toeram-pikarohana efatra eo ambany fiahiany dia ny Foibe Nasionalin’ny Siansa sy Teknolojia Nokleary (INSTN), ny Ivon-toerana Nasionaly momba ny Fikarohana ara-Tontolo iainana (CNRE), ny Ivon-toerana Nasionaly misahana ny Fikarohana ara-Indostrialy sy Teknolojika (CNRIT), ary ny Ivon-toerana momba ny Torohay sy Fahalalàna Siantifika ary Tekinika (CIDST). Handray anjara amin’ireo famelabelaran-kevitra sy adihevitra maro ihany koa ny INSTN.

Izao hetsika izao dia natao manokana ho an’ireo rehetra maniry hahafantatra bebe kokoa momba ny rano eto Madagasikara karakarain'ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Rano ny Fanadiovana sy Fidiovana, iarahana amin’ireo Andrim-panjakana, sehatra tsy miankina, mpiara-miombon’antoka ara-teknika ary ny fiarahamonim-pirenena.