Vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fametrahana ho lohalaharana ny Fampianarana Ambony hanatrarana ny fampandrosoana lovain-jafy.

Ho fanampiana ireo tanora any amin'ny Faritra Anosy sy ho fanamafisana ny traikefa ananan'izy ireo, dia vinan'ny Faritra ny hampiroborobo sy hampahomby ny fampianarana ambony sy ny fanomanana arak'asa ao aminy, ka izany dia iarahana amin'ny Institut Supérieur d'Enseignement Anosy sy ireo mpiaramiombon'antoka aminy, miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana.

Drafitrasa telo no entina manatanteraka izany ka ny voalohany dia mikasika ny fitantanana eo amin'y IESA, ahafahana manatanteraka ireo vina iarahana amin'ny mpiaramiombon'antoka ; ny faharoa dia manodidina ireo fomba fiasa vaovao toy ny fampitàna ny fahaiza-manao hifanaraka amin'ny toetr'andro sy ny filàn'ny mpiaramiombon'antoka, ny fampitaovana laboratoara ahafahana manao fampiharana, ny fanomezana fanofanana arak'asa izay marihina fa mifanaraka hatrany amin'ny orinasa mandray ; ny fahatelo kosa dia momba ny fandrafetana ireo lalam-piofanana mila hatsaraina sy amboarina eo amin'ny sehatra arak'asa hifanaraka amin'ny filàna ka ijerena ny hisian'ny fampiofanana amin'ny fotoana fohy sy lava ho an'ny mpianatra sy mpiasa.

Ny « Projet d'Appui à l'IESA » dia tetik'asa hanampiana sy hanamafisana ny Institut d'Enseignement Supérieur Anosy, novolavolaina ny taona 2023. Nanao tatitra mikasika izany tamin'ny Sekretera Jeneralin'ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr SALAVA Julien, ny 14 Aprily 2025, Atoa RAZAKAMANANIFIDINY Patrick , Directeur du Bureau des Relations Internationales Université du Québec à Trois-Rivières, sy Atoa RAJOELINA Cédric, Conseiller Senior Affaires Externes Friontino QMM.

Nomarihan'ny Sekretera Jeneraly fa ny Minisitera dia misokatra, mamporisika ary manohana hatrany ny tetik'asa mikendry ny fampandrosoana lovain-jafy tahaka izao.