Araka ny toromarika avy amin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA, tanjona ny fandoavana ara-potoana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra eny anivon’ny Anjerimanontolo.

Natomboka ny 07 aprily 2025 tao amin’ny Sekoly Ambony Politeknikan’Antananarivo ao Vontovorona (ESPA) ny fizarana ny vatsim-pianarana telo volana miampy fampitaovana ho an’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ho an’ireo mpianatra ao amin’ny taona voalohany (L1) ka hatramin’ny Doctorat.

Tonga nanatrika sy nanara-maso izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla. Nijery ny fizotran’ny fizarana sy nanome toromarika ireo tompon’andraikitra ny tenany mba hizoran’ny fizarana am-pilaminana. Nomarihany fa nisy fandaminana vaovao nampiharina tamin’ny fikarakarana ny famoahana ny vatsim-pianarana ka nokirakiraina isaka ny oniversite ny antontan-taratasy.

Nankasitraka ny Filoham-pirenena sy Ramatoa Minisitra ny solontenan’ireo mpianatra notarihin’Atoa ROJONIAINA Faneva, Filohan’ny Fikambanan’ny Mpianatra Politeknika ao Vontovorona, amin’ny fihainoana ny fangatahan’izy ireo. Mahatsapa manana Raiamandreny izy ireo, araka ny nambarany.

Izao no tanteraka dia vokatry ny fiaraha-mientan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), ary ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF).

Mitohy hatramin’ny 18 aprily 2025 ny fizarana ny vatsim-pianarana, araka ny tetiandro efa nivoaka.