Tafiditra ao anatin’ny ezaka iombonan’ny ministera rehetra ny fanadiovana sy fanatsarana ny Tanànan’Antananarivo, ho fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara ny fivorian’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI) ny 24 aprily 2025.

Ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, notarihin-dRamatoa Minisitra, Pr CHAMINAH Loulla dia nandray anjara tamin’ny fanadiovana faobe, ny 28 Marsa 2025, nahitana ireo mpiasa eto anivon’ny ministera, ireo avy any amin’ireo foibem-pikarohana eo ambany fiahiany, ary ireo rafitra mifandray aminy.

Nifantoka tamin’ny fanesorana ireo fako sy ny fanadiovana ireo toerana maloto manodidina an’i Mahamasina sy Anosy, faritra be mpivezivezy eto an-drenivohitra, ny asa natao. Naneho firaisankina sy fifanomezan-tanana ireo mpandray anjara rehetra nandritra ity hetsika ity, izay mbola hitohy.