Ho fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izay tarihin' Atoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA sy ny vinan’asa napetraky ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, dia tanjona sy imasoana ny hanatsarana ny kalitaon’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa eto Madagasikara.
Tontosa ny 24 martsa 2025 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony teo aloha, Pr LAZAMANANA André Pierre sy ny Tale Jeneraly vaovao, Dr. BEHAJA Alan Basile.
Nanamafy ny Tale Jeneraly vaovao fa hanohy ny asa efa natao ary hiezaka hanao tsaratsara kokoa. Naneho faniriana ihany koa izy mba hitoeran’ny fiaraha-miasa ankitsipo sy am-pitiavana ho fampandrosoana an’i Madagasikara, tsy vita irery anefa izany fa mitaky tantsoroka sy fiaraha-miasa.
Nambaran’ny Tale Jeneraly teo aloha fa anisan’ny kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny Fampianarana Ambony, ka nirary soa ny mpandimby toerana azy izy amin’ny fanatanterahana ny andraikitra miandry azy ho an’ny tanindrazana.
Nanatanteraka izao famindram-pitantanana izao ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera, Pr. SALAVA Julien, notronin'ireo mpiara-miasa eto anivon'ny Ministera.