Notontosaina tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohibary ao amin’ny Distrikan’i Moramanga ny 11 Aprily 2024 ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Oniversite ao an-toerana izay mifandray amin’ny Oniversiten’i Toamasina.
Ahitana ireto Sampam-pianarana ireto ao an-toerana: “Anthropologie”, “Médecine”, “Environnement”. Natolotra nandritra izany ihany koa ny Tale hitantana izany Oniversite izany. Nanotrona izao lanonana izao ireo solotenam-panjakana, olom-boafidy sy olom-boatendry ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro.
Nanome toky ireo mpampianatra ao an-toerana fa tsy hanao ambanin-javatra ny kalitaom-mpampianarana sy hametraka ny lentan’ny fahaizan’ireo mpianatra manovo fahalalana ao.
Nisolotena ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa ny Tale misahana ny « Accréditation et Assurance Qualité.