Araka ny fampanantenana nataon'Atoa Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA, ho fanatsarana sy fanomezana tontolo akademika manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, dia tonga any amin'ny Oniversiten’Analanjirofo izay eo ambany fiahian'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa, ny 15 marsa 2025 ireo seza vaovao ho an'ny "salle de soutenance".
Ireo fitaovana ireo dia entina hanohanana ny fikarohana siantifika izay ataon'ny mpianatra sy ny mpampianatra. Efa miasa tanteraka ihany koa ny "wifi" maimaim-poana sy haingam-pandeha, izay tafiditra ao anatin'ny politikam-panjakana : fampiasana ny teknolojia ho fanampiana ireo mpianatra amin'ny fikarohana izay ataony.
Notsiahivin'ny Filohan'ny Oniversiten’Analanjirofo, Dr SOAVELO Andiamihaja Rina, nandritra ny fandraisana ireo fitaovana ireo ny tsy hanekena izay mety ho fanakorontanana na fanakatsakanana ny fampandrosoana eo amin'ny Ivon-toerana, namafisiny fa vonona hatrany ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy hikolokolo sy hampivoatra ny Oniversiten’Analanjirofo, ho tombontsoan’ny besinimaro sy ireo taranaka.
Dingana lehibe eo amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony ho an'ny Faritra ny fahazoana ireo fampitaovana ireo.