Tontosa ny 14 marsa 2025 teto Fiadanana ny famindram-pitantanana teo amin’Andriamatoa Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala, Tale Jeneralin'ny Fikarohana Ara-Tsiansa teo aloha sy Ramatoa Pr RANARIJAONA Hery Lisy Tiana, Tale Jeneralin'ny Fikarohana Ara-Tsiansa vaovao eto anivon'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Nitarika ny fotoana ny Sekretera Jeneralin'ny Ministera, Pr. SALAVA Julien.
Nisaotra ireo mpiara-miasa aminy rehetra teto anivon'ny Ministera ny Tale Jeneraly teo aloha, ary nirary soa an-dRamatoa Tale Jeneraly vaovao amin'ny adidy aman'andraikitra miandry azy.
Nandritra ny lahateny nataony no nanambaran'ny Tale Jeneraly vaovao ny hanohizana ny ezaka efa natao. Nosoritany manokana ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa ka nanaovany antso amin' ny rehetra mba ahazoana vokatra tsara. Nomarihiny fa na dia fikarohana aza no atao dia zava-dehibe mifanindran-dalana amin'izany ny fiaraha-miombon'antoka. Misy ny vinan'ny fampandrosoana napetraky ny Filoham-pirenena hoy izy, izay napetraky ny Minisitra ho torolalana sy arahina antsakany sy andavany.